Taratasy Faharoan'i Md. Paoly Ho An'i Timote

Toko faha-3

10 Fa hianao kosa efa nanaraka tsara ny fampianarako, ny fitondran-tenako, ny kendreko, ny finoako, ny fandeferako, ny fitiavako, ny faharetako,

11 ny fanenjehana sy ny fahoriana nanjo ahy, toy ny tany Antiokia sy tany Ikonioma ary tany Listra; niaritra fanenjehana tokoa aho, fa nanafaka ahy hatrany ny Tompo. 12 Dia hita fa izay rehetra te-ho velona araka an'Andriamanitra ao amin'ny Kristy Jesoa dia henjehina, 13 fa ny ratsy fanahy sy ny mpisandoka kosa dia handroso miharatsy ihany, sady mpamitaka no fitahina. 14 Ary hianao kosa dia mahareta amin'izay zavatra nianaranao sy azonao antoka, fa fantatrao ilay nampianatra anao,

15 sady hatry ny fony mbola zaza hianao no efa nahalala ny Soratra Masina, izay mampahendry anao ho amin'ny famonjena noho ny finoana ny Kristy Jesoa. 16 Satria ny Soratra rehetra avy amin'ny fanilovan'Andriamanitra dia mahasoa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fananarana, ho fanabeazana amin'ny fahamarinana, 17 mba hahalavorary ny olon'Andriamanitra sy hahavonona azy ho amin'ny asa soa rehetra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.076